Actualités

Fetim-pirenena 26 jona 2023 Hisy ny fandefasana afomanga amina toerana roa samihafa


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Toy ny fanao isaky ny fetin’ny 25 Jona, hanamarihana ny fetim-pirenena dia hisy indray ny fandefasana ny afomanga miavaka,

hankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy amin’ny alahady ho avy izao. Andro vitsivitsy sisa dia higadona ny faha-63 taonan’izany vaninandro lehibe izany. Efa ao anatin’ny fametrahana ny pitsopitsony ara-teknika ireo tompon’andraikitra, ary efa vonona ihany koa ny toerana hanatanterahana izany.

 

MISY FEPETRA
Marihana fa efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina hampiasaina mandritra io fotoana io, ary olona manana fahaiza-manao manokana momba ny fandefasana afomanga no misahana ny fandrindrana izany. Mifanindran-dalana amin'ny afomanga etsy amin’ny Farihin’Anosy moa ny fisian’ny afomanga ao amin'ny Kianjan’i Barea Mahamasina, aorian’ny « Antsam-piderana » hitondrana am-bavaka ny Firenena, izay hatao eny an-toerana. Araka izany dia tsy tokony hivoaka ny olona efa tafiditra ao anatin’ny Kianjan’i Barea mandritra io fotoana io, satria mitovy ny afomanga hiseho amin'ireo toerana roa ireo. Tsy azo atao noho izany fa mety hampidi-doza ny fijorojoroana eny amin’ny farihin’Anosy. Raràna ihany koa ny fitsilovana "Laser" eny amin'ny Faritry ny ranon'Anosy, fa mety hitera-doza satria misarika ny fipoahan'ireo vanja ny fanaovana izany. Farany, araka ny voalazan’ny Jeneraly Andriamasimanana William, tompon’andraikitry ny filaminana eo anivon’ny Komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), dia hisy fepetra hentitra horaisina ho an’ireo izay minia mandika izany fandaminana izany ;

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT