Ny 26 hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao, any Ranohira, no hanatanterahana ny andiany faha-07 amin’ny “Festival Karitaky”.
”. “Karitaky”, anarana ilazana ilay dihy nentim-paharazana bara notsoahina avy amin’ny fihetsiky ny omby ravahan’ny feon-tsodina sy dobok’aponga, fanao amin’ny an-kasoavana sy an-karatsiana. Tanjon’ny “Festival Karitaky”, araka ny fanazavana nentin’ny Ben’ny Tanànan’i Ranohira, Mionjo Randriamampiandra anisan’ireo mpikarakara ny hetsika, fa ny hampahafantatra sy hampisongadina indray ny kolontsaina mampiavaka ny Bara toy ny “Savatsy” (fora zaza), Bilo … no antom-pisian’ny “Festival Karitaky” ary hivelatra kokoa amin’ny sehatry ny fampivoarana ny tontolon’ny fiompiana omby izany amin’ity andiany faha- 07 ity amin’ny alalan’ireo velankevitra malalaka laroina fifanakalozana fahaiza-manao. Dah’mama, Simonda valera ary hiampy ireo mpanakanto roa zanak’iny Faritra iny izay ahitana an’i Thierry d’Ihorombe sy Jean Tou no hanafana ny sehatra mandritra ny “Festival Karitaky”. Anisan’ny loharanom-bola ho an’ny Ranohira ny sehatry ny fizahantany noho ny fananany ny valan-javaboahary ao Isalo izay toerana voalohany amin’ny isan’ireo mpitsidika manerana ny Nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.