Hifarana rahampitso alahady sahady ny ‘Festival Donia’ andiany fah-21 raha nanomboka ny alarobia 4 jona teo.
Somary nanifinify ihany ireo mpijery teo ampiandohana. Hita taratra izany tamin’ny andro voalohany, fotoana nanaovana ny ‘carnaval’ nitety tanàna. Vitsy kokoa mantsy ireo mpandray anjara ary isan’ny tsy nandray anjara ohatra ny ekipan’Andilana Beach izay isan’ny tena nafana fo tamin’ny fandraisana anjara sy fanohanana hatrizay. Na izany zany aza dia mihamahazo hafanana tsikelikely ny lanonana. Nitorajofo ny fampisehoana omaly zoma satria i Black Nadia sy i Zandry Amed no niaka-tsehatra. I Dat Kotry arahin’i Din sy Flavien kosa no hifanome fotoana amin’ny vahoakan’i Nosy Be anio alina. Nosafidian’ny komity mpikaraka hanakatona amin’ny lanonana amin’ny fomba tena mangotraka ity andiany 2014 ity ny alahady alina i Cisca.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.