Nahemotra omaly alahady ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny “festival des baleines” tao Sainte Marie raha tokony ho natao ny sabotsy teo. Araka ny angom-baovao marim-pototra avy any an-toerana, dia ilay resaka fametrahana fitokisana ny praiminisitra nitsefotra tamin’ny ora farany iny,
sy ny olan’ny zotram-pitaterana Air Madagascar ka voatery nitaingina sambo avokoa ireo vahinim-panjakana sy ny mpanentana ary ny mpanafana ny lanonana no anton’ny fanemorana. Vokatry ny fitokonan’ny Air Madagascar dia ny mpizahatany 3 amin’ny 4 efa namandrika toerana nandritra ny herintaona no nanafoana ny diany, ny 2/3 kosa tonga teto Madagasikara vao nanatsahatra ny azy, hany ka ny 1/3-n’ny trano fandraisam-bahiny no feno tamin’ny ankapobeny. Ireo sambo mpanao zotra Sainte Marie misy miala ao Soanierana Ivongo sy avy ao Mahambo ahitana ny El Condor, no mba mitatitra ireo vahiny te handeha. Re anefa fa raha nanafoana ny diany ny Air Madagascar ny sabotsy sy ny alahady, dia nisy ihany sidina ATR niainga avy eto Antananarivo nitatitra ireo minisitra, nahitana ny minisitry ny mponina, ny rano, ny asa vaventy, ny fitaterana sy ireo ekipan’ny prezidansa tara noho ny olona tao Tsimbazaza ary ireo depiote mpanohana ny filoha sy ireo nandà ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra. Tany an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimpianina izay nilaza fa mbola hisy ny fanamboaran-dalana ataon’ny fanjakana ary hirosoana ny famokarana angovo azo havaozina ho vahaolana amin’ny delestazy; mila fitoniana anefa isika vao afaka miasa tsara, hoy izy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.