Actualités

Festival des baleines – Ste Marie Mpiahy ny hetsika i Julien Lepers


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Mandalo eto Madagasikara efa dimy andro ilay mpanentana fandaharana malaza “Question Pour Un Champion”, Julien Lepers izay mpiahy ny fikambanana Cetamada mpikarakara ny «Festival des baleines»

Hatao any Ste Marie ny 4-12 jolay 2015 ny andiany voalohany amin’ity hetsika ara-pizahantany ity.  Hosokafana amin’ny filaharambe hataon’ireo mponina, mpianatra sy fikambanana ao an-tanàna ny hetsika. Hisy koa ny fampisehoana iarahana amin’ireo mpanakanto ao an-tanàna sy avy amin’ny faritra hafa, ireo kilalao fanentanana samihafa sy fampirantiana ary fifaninanana ara-panatanjahantena vohilakana sy tsipy kanetibe ary semi-marathon … Ny tapaky ny volana jona hatramin’ny faran’ny septambra moa no fotoana fandalovan’ny trozona misy trafony amin’iny manamorona an’i Ste Marie iny. Tanjon’ny Festival ny fampiroboroboana ny fizahantany aty amin’ny Nosy “Vanille” sy ny faritra atsinanan’i Afrika. Hisy ny tetikasa fananganana ivontoeram-pikarohana, fanofanana ireo mpitaridia mpizahatany miompana amin’ny fitsangantsanganana an-dranomasina, famokarana horonantsary fampahafantarana ny fizahantany any Ste Marie ary hisy manampahaizana mpikaroka vahiny hanamafy ny fiarovana ireo trozona sy hizaha ireo sambon’ireo jiolahitsambo fahagola rendrika manamorona ny nosy. Nilaza ny tomponandraikitra ara-barotry ny Air Madagascar fa azo heverina ny hampitomboana ireo sidina mankany Ste Marie amin’izao hetsika izao saingy miankina amin’ny fametrahana toby famatsiana solika any an-toerana sy ny fanitarana ny seranana izany. Efa hiampy sambo goavana mahazaka mpandeha 100 koa ireo efa misy mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Ste Marie manomboka amin’ny septambra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT