Actualités

Fernand Cello “Manimba endrika ny filoha ny zava-nitranga tato ho ato”


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Notanisain’ny mpanao gazety mpanadihady, mpamakafaka raharaham-pirenena ary kandida ho ben’ny tanana teo aloha, Fernand Cello, ireo heveriny fa raharaha maloto sy maha menatra tao anatin'izay 2 volana teto amin’ny firenena izay.

 

 

Mahakasika minisitra ny roa ary tale jeneralin'ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny iray, hoy ny fanamarihany. Teo ny raharaha « bonbons Sucettes”, izay mbola any am-ponja ny tale jeneraly sy ny mpiara miasa aminy, ny faktiora nabontsina mba hitadiavana tombony hoan'ny tenany manokana ka na dia nandà mafy aza ny minisitra fa "attaque Personnelle " sy fanosoran-potaka azy ireny dia nodisoan'ny PNUD indray ny fanazavana nentiny omaly (TTF: ny alatsinainy teo) ary ny fisotroan-toaka diso tafahoatra niteraka lozam-pifamoivoizana sy fahafaham-baraka ho an'ny minisitera sy fitondrana ary niafara tamin'ny fametraham-pialanan'ny tale jeneralin’ny MCC. Sokajian'ny Mpanara-baovao ho fandotoana ny fitondrana misy ary fanohitohinana ny fiandrianam-pirenena ireo, hoy izy. Fehiny dia hoe manimba endrika ny filoha ankehitriny ny zava-nisy tao anatin'ny 2 volana satria olona manana andraikitra ambony eto amin'ny firenena avokoa izy ireo ary heverin'ny mpanara-baovao fa tsy haha marin-toerana izao Fitondrana izao raha sanatria ka tsy voavaha haingana, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT