Efa nisy ny fihibohana amin’ny ampahany nandritry ny 1 volana miandoha amin’ny 12 ora tolakandro toy izao raha vao nanomboka tafiditra teto Madagasikara ity valanaretina Coronavirus ity.
Azo lazaina ho voahajan’ny olompirenena tamin’ny ankapobeny ihany izay fepetra izay na nanapaka fihariana maro sy efa nampikolay azy sahady aza. Niverina io fepetra io ankehitriny ary tsikaritra fa miha sarotra ho an’ny olom-pirenena ny manaja azy satria efa maro ny fihariany tapaka tao anatin’izay 3 volana mahery izay kanefa dia mbola vesarin’izao fiverenana amin’ny fihibohana tapak’andro izao indray. Toa tsy mahagaga raha mbola nitohana hatrany ny fifamoivoizana teny amin’iny manodidina an’Ankorondrano iny omaly, ohatra, kanefa ny andro efa tamin’ny 12 ora sy 45 minitra teo. Nifanaretsaka ao’izany ihany koa ny teny Anosizato sy ny manodidina..feno olona nifamoivoy.Rehefa nanontaniana izy ireo dia namaly tsotra : ny vola tadiavinay maraina no hividiananay sakafo atoandro sy amin’ny hariva ; izany hoe tsy mihinana izahay raha vao tsy mivoaka miasa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.