Velaran-tany mirefy 800 m2 no voalaza fa bodoina depiote iray hametrahany ny fiarany.
Araka ny nambaran’ny tompon’ny tany dia efa hatramin’ny taona 2007 no nangataka hanofa ny taniny ilay depiote ary dia natao ny fifanarahana tamin’ny fotoan’androny ary nomena hofaina mandritra ny 5 taona ilay tany. Maro anefa ny hoso-taratasy nataon’ny mpanofa izay efa nomaniny mandra-pahavitan’ny fifanarahana. Rehefa vita ny fifanarahana voalohany dia nohavaozina ho 5 taona indray, izany hoe, ny taona 2012 ka hatramin’ity taona 2017 ity. Taty aoriana aho, hoy ilay tompon’ny tany vao gaga fa efa nahavita fifanarahana hosoka ilay depiote ary tsy naloany ara-dalàna intsony ny hofan’ny tany fa zara raha ny 24% ihany no nefainy. Raha tokony ho 19.096.000 Ariary no totaliben’ny vola tokony ho naloa dia ny 4.638.000 Ariary ihany no mbola nefainy hatreto, izany hoe mbola misy ambiny, 14.458.000 ariary. Mangataka ny fitondram-panjakana ny tenany handray fepetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.