Fenoarivo Atsimondrano

Ampijalian’ny delestazy ny mponina


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Tsy vazivazy intsony fa tena hampijalian’ny delestazy ireo

mponina ao anatin’ny kaominina Fenoarivo distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tapaka nanomboka tamin’ny 06 ora hariva ny jiro teny an-toerana ny sabotsy teo ary tsy niverina izany raha tsy omaly Alahady tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Haizin-kitroka no niainan’ny mponina ny alina iray manontolo noho izany. Ireo jiolahy sy mpanao hala-botry anefa etsy an-daniny tena manao ny hataony tokoa. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina dia tsy vao sambany izy ireo no miaina tahaka izao. Saika isan’andro dia tapaka hatrany ny jiro vatsian’ny JIRAMA ary mahatratra ora roa izany raha kely. Raha vantany vao tara roa andro anefa ny fandoavana ny faktiora hoy hatrany ireo mponina dia mandrahona ny hanapaka sahady ny JIRAMA ary tena tsy mitsitsy mihitsy. Antso avo araka izany no hataon’ireo mponina amin’ireo tompon’andraikitry ny JIRAMA. Amin’izy ireo mantsy dia efa mateti-piavy loatra ny delestazy eny an-toerana na dia tsy miraraka akory aza ny ranon’orana eny amin’iny faritra iny.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT