Feno 60 taona ny orinasa Socobis

100% Malagasy, hanome ny tsara sy ara-kalitao hatrany


  • Zoma 25 Jolay 2025

Ny taona 1965 no nitsanganan’ny Orinasa Socobis, tsy nitsahatra nitombo sy niha lehibe,

mampiasa Malagasy hatrany amin’ny 500 isa ankehitriny, ary mamelona ankohonana an’arivony. Misongadina amin’ny vokatra fanta-dazana eto an-tanindrazana sy any ivelany toy ny biscuit, chocolat,… Notanterahana tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny orinasa Socobis. Lanonana manokana nentina nankasitrahana ireo mpiara-miasa akaiky niara nisalahy tamin’ny Socobis tao anatin’izay 60 taona izay. Ao ireo mpanana petra-bola, ireo mpanjifa,… Tsotra nefa sarotra, namakivaky ireo fitondrana nifandimby teto amin’ny Firenena, teo ny vanim-potoana sosialista, teo ny « privatisation »,… fa teo foana ny socobis na teo aza ny olana samihafa toy ny tsy fisian’ny entana, fa tafavoaka tamin’izany ny orinasa, ary vonona hiatrika ny fanamby lehibe ho an’ny ho avy dia hanome vokatra tsara sy ara-kalitao hatrany ho an’ny Mpanjifa, hoy ny Tale Jeneralin’ny Socobis Raveloson Stéphane Hery namintina ny 60 taona.

100% MALAGASY, MIARA-MIASA AMIN’NY TANTSAHA SY MPANDRAHARAHA ETO
Tao anatin’ny vina tamin’ny fotoan’androny ny hananganana indostria tena Malagasy, ka tafiditra tao anatin’izany ny Orinasa Socobis, izay orinasa Malagasy 100% hatramin’ny voalohany ka hatramin’izao na amin’ny fitantanana na ny petra-bola ao aminy, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneraly Raveloson Stéphane Hery hatrany. Misy fotoana ny 80% amin’ny akora fototra ilaina dia hafarana avy any ivelany, fa amin’izao tena efa miara-miasa sy mifanampy amin’ireo tantsaha Malagasy sy mpandraharaha Malagasy sasany, ohatra hoe : ny lafiny dobera, farine de manioc,… izay vokarina eto an-toerana izany hoe tena ny vokatry ny tany. Manome lanja sy toerana ny mpiara-miombon’antoka sy orinasa Malagasy mazava ho azy ny Socobis, izay taratry ny fitiavan-tanindrazana ara-toekerana na « patriotisme économique ». Isan’ny fantatra fa miara-miasa aminy ohatra amin’ny lafiny teknolojia sy fikirakirana ara-informatika ny ny BICI Madagascar.

TOMBONY LEHIBE ILAY « SOCOBIS GASY KA TSARA »
Nisy fotoana efa nanondrana fa nijanona kely ankehitriny noho ny toe-draharaha na « conjoncture » nisy. Azo ambara ho mafimafy ihany koa anefa ny tsena anatiny satria misy mpifaninana 2 matanjaka be, ary maro dia maro ihany koa ny mpifaninana amin’ny lafiny fanondranana. Na izany aza, tombony lehibe ho an’ny Socobis kosa ilay hoe : « Socobis Gasy ka tsara » izay efa mipetraka sy hahafantaran’ny Malagasy azy na amin’ny vokatra na amin’ny kalitao, ka hankafizan’ny mpanjifa hatrany ny vokatr’ity orinasa Malagasy tsy tontan’ny ela ity, hoy hatrany ny Tale Jeneraly Atoa Raveloson Stéphane Hery.

HIVERINA NY FANONDRANANA ANY IVELANY
Manamafy ny Socobis, fa tsy mitsahatra manome ny tsara ho an’ny mpiray tanindrazana. Maro ny vina ho an’ny 60 taona manaraka, ka ny zava-dehibe indrindra ny fanomezana fahafaham-po hatrany ny mpanjifa amin’ny alalan’ny vokatra tsara sy ara-kalitao. Maro ny sedra ho an’ny orinasa tahaka itony na ato anatiny, na eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manamafy ny fahavononany hisandrahaka sy hivelatra hatrany anefa ny Socobis, izay orinasa tsy mena-mitaha, reharehan’i Madagasikara, efa vary sy rano amin’ny vahoaka Malagasy. Fanamby lehibe manaraka ny tsena fiverenana hivelatra bebe kokoa amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mikatsaka vokatra tsara foana ho an’ny mpanjifa Malagasy, ary ato ho ato dia hiverina hanao fanondranana, manomboka amin’ireo Nosy manodidina, hivelatra amin’ny COMESA,...

Dia mirary soa ho an’ny Socobis ho tratry ny 60 taona manaraka indray e !

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT