Actualités

Feno 59 taona ny filoham-pirenena Tsy hita popoka indray i Voahangy R


  • Talata 07 Novambra 2017

Feno 59 katroka omaly ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina, izay teraka tao Antsofinondry Sabotsy Namehana ny 6 novambra 1958.

 

Nifandraika tamin’izany indrindra, dia nisy ny fiarahabana sy firarian-tsoa manokana ho an’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy avy amin’ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, izay nosoloin’ny Masoivohony Yang Xiaorong tena. Teo ihany koa ny delegasionina avy amin’ny parlemantera Britanika, izay nirary soa ny filoham-pirenena Malagasy noho izao fitsingerenan’ny taona nahaterahany izao. Ny tolakandro kosa no tonga niarahaba azy teny an-dapa ny avy amin’ny governemanta, izay notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Ankoatra ny firarian-tsoa ny filoha dia nampanantena ny tenany amin’ny fanatanterahana ny fanamby iaraha-manana ho an’ny fampandrosoana ireo mpikamban’ny governemanta, izay notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tsy hita tao anatin’ny sary tamin’ny fampitam-baovao ofisialy mihitsy kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimamianina vadin’ny filoham-pirenena, tsy fantatra mazava na tao an-dapa ihany izy saingy narary na somary tsy netinety na tsy eto Madagasikara mihitsy ka tsy afaka mba nanotrona ny vadiny tamin’ireo lanonana ofisialy telo sosona fiarahabana azy ireo. Mety hohamaivanin’ny hafa izany saingy toa manaporofo hatrany ny zavatra efa nambara teto fa miha tsy mifanara-tsaina ny filoham-pirenena sy Ramatoa vadiny, ka misy akony ratsy hatrany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fitantanana ny firenena io.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

Hijery ny tohiny
FTT