Actualités

Feno 50 taona katroka BFM Kihon-dàlana tamin’ny ara-bola sy ara-toekarena


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

12 jona 1973 - 12 jona 2023, feno 50 taona katroka ny Banky Foiben'i Madagasikara na ny BFM, iray amin'ireo vokatra azo taorian'ny nanaovan-tsonia ny “Accord de coopération France – Madagascar”,

fony Didier Ratsiraka, minisitry ny raharaham-bahiny. Voalaza fa hisy ny varavarana misokatra manamarika io faha-50 taonan’ny BFM io ny 20 jona izao. Raha miverina amin’ny tantara, dia nanomboka teo no nialan’i Madagasikara tamin’ny “zone francs” ho an’ny lafiny ara-bola, ka nidirantsika tamin’ny volantsika manokana. Amin’ny lafiny miabo, endriky ny firosoana amin’ny fahaleovantena ara-bola sy ara-toekarena io, ary fanamafisana ny maha firenena amin’ny alalan’ny fananany volany manokana. Niara-dàlana tamin’io “accord de coopération” io ihany koa moa no nanesorana ireo tobin’ny miaramila Frantsay teny Ivato sy tany Antsiranana. Ho an’ny lafiny miiba kosa, vizana tanteraka ny vola Ariary mitaha amin’ny vola vahiny amin’izao fotoana izao, raha tsy hilaza afatsy ny lanjany izay mitaha amin’ny Euro satria efa sandaina 4700 Ar eo vao mitovy amin’ny 1euro ankehitriny. Isan’ny nanamarika ity taona 2023 ity ny fametraham-pialan’ny Governora teo aloha. Raha ny fanehoan-kevitra ny Dr Ignace Randriamamizafy, fa “isan’ny fahadisoana goavana tao anatin’iny ny fanovana ny rafitra ara-toekarena. Nesorina ny “zone Francs”, kanefa niantoka zavatra be noho isika mbola tsy nanana Banky Foibe nahaleo tena, ny “trésorerie” Frantsay anefa no nanohana sy niantoka ny Vola Malagasy, ka natanjaka ny volantsika tamin’izany, vao nisy olana ny Fanjakana dia ny Frantsay no namatsy azy,… Nalalaka ny fitsinjinjarana ara-bola na “decentralisation Financière”. Tsy nisy antoka intsony ny Vola Malagasy vao niala tao, sahirana ara-bola taty amin’ny Fanjakana Foibe, voatery nalefa tany amin’ny Fanjakana foibe tamin’ny alalan’ny didy navoakan-dRamanantsoa ny vola rehetra avy any amin’ny rafitra ambany toy ny Kaominina, ary izy hatramin’izao io. Fahadisoana bevava ara-toekarena izay, ary ny nametrahan’ny “base” teto dia nisy vola naloany tamin’ny Fanjakana”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT