Actualités

Feno 45 taona ny JIRAMA Hisy ny lalao goavana hahazoana 1 tapitrisa Ar


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Feno 45 taona katroka tamin’ny sabotsy 17 oktobra teo ny naha JIRAMA ny JIRAMA. Nosokafana tamim-pomba ofisialy, tamin’io andro io, ary haharitra herin-taona ny fankalazana manerana ireo ivon-toerana 35-n’ny JIRAMA eto Madagasikara.

 

 

 

Hovoizina mandritra ny fankalazana ny fanamafisana fa ny « mpanjifa no laharam-pahamehana». Samy hanana ny fandaharam-potoana fankalazany ny Direksiona iraisam-paritra tsirairay avy, toy ny fananganan-tsaina, fiaraha-miombom-bavaka, filaharana manaraka ireo fihetsika sakana, hetsika fanadiovana ny ivon-toeran’ny JIRAMA, fifaninanana ara-panatanjahan-tena, fitsidihana fampahafantarana ny JIRAMA amin’ireo mpianatra, fanaovana hetsika sosialy, … Hiompana betsaka amin’ny fanaovana ny mpanjifa ho laharam-pahamehana ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny orinasa. Niaraka tamin’ny mpanjifa no nanamarihana izany voalohany nanomboka ny sabotsy 17 teo amin’ny alalan’ilay lalao Crispy. Lalao tombola hahazoana 1 tapitrisa Ariary hahazoana mandoa Jiro sy Rano, izany hoe : tsy lela-vola fa "avoir" ka maromaro ny fitsipi-dalao amin’izany . Ho an’ ireo mpanjifa rehetra mandoa ny faktioran’ny JIRAMA-ny ao anatin'ny 17 oktobra ka hatramin’ny 17 novambra amin'ny alalan’ny mobile money dia avy hatrany dia isan'ireo hanaovana ankitsapaka. Miisa 45 izy ireo manerana ny Nosy no hahazo ilay 1 tapitrisa Ar. Misy ihany koa ireo hahazo loka maro samihafa. Amin’ny faran'ny volana Novambra no hanatanterahana ny fisarihana. Tanjona ny hiarahan’ny JIRAMA mifaly amin’ny mpanjifa, hampiasan'ny mpanjifa ireo tolotra hafa fandoavana faktioran'ny JIRAMA sady mora no tsy milahatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT