Actualités

Feno 35 taona ny Kung Fu WISA Atsangana ny “Temple Pierre Mizael”


  • Talata 04 Aogositra 2015

Mankalaza ny faha-35 taona nahatongavany teto Madagasikara amin’ity 2015 ity ny Kung fu Wisa ka hisy ny hetsika goavana hotanterahana eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny sabotsy 8 sy alahady 9 aogositra izao ho fanamarihana izany.

 

Hisy ny fiovana goavana eo anivon’ity haiaidy nentin’ny Grand Maître Pierre Mizael Rakotoarijaona teto Madagasikara ity, araka ny fanazavana azo satria dia hiforona manomboka amin’ity taona ity ireo zanaka « Style » nivoaka avy ao anatin’ny Kung fu Wisa noho ny traikefan’ireo mpampianatra tsirairay avy. Haorina eny Ambatomirahavavy ny    « Temple de Pierre MIZAEL » na oniversiten’ny kung fu ka ao hitahirizana ny vakoka sy ny fototry ny kung fu Wisa, araka ny fanazavana azo avy amin’i Maître Avoko. Hisy moa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny « Tao » sy ny « Combat » miampy fampisehoana manokana sy fampirantiana ny faran’ny herinandro io eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fa vaovao lehibe ihany koa ny nahafantarana fa handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Bangladesh ireo mpiangaly Kung fu Wisa Malagasy amin’ny volana septambra ho avy izao. Tsara homarihana fa feno 30 taona ihany koa ankehitriny ny raharaha kung fu tamin’ny 1985, anisan’ireo « Grand dossier » tamin’ny repoblika faharoa mbola mijanona ho mistery.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT