FELIX TOVONDRAINY, ATLETA JAMBA

Natelin’ny ranomasina, efa hita ny vatana mangatsiakany


  • Zoma 05 Aprily 2024

Hita afak’omaly Alarobia ary alevina anio Zoma 05 Aprily ny vatana mangatsiakan’i Félix Tovondrainy,

ilay tovolahy jamba atleta Malagasy vao 21 taona rehefa natelin’ny ranomasina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsy hita ny Alatsinain’ny Paska teo, teo am-pilomanosana tany Andaboy Toliara ny anaolahy. Miisa 6 izy ireo no niaraka mba hiala voly kely ka ny iray tamin’izy ireo ihany no nahiratra izay avy eo anivon’ny sekolin’ny jamba ao Toliara. Tsy arak’ity farany anefa ny fiambenana azy ireo ka nilentika nandritra izany Itompokolahy. Isan’ireo nandray anjara tamin'ny taranja hazakazaka 100m ho an'ny olona Jamba izy fony fahavelony raha tsiahivina nandritra ny Lalaon'ny Nosy farany teo ary nahazo medaly volamena. Anisan’ny nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara Itompokolahy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Nangonin’i Pati
Legende : Itompokolahy fony fahavelony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT