Fefiloha eny Ampahitrosy

ahiana ho vaky Nanampy ara-pitaovana ny Faritra Analamanga


  • Alakamisy 12 Febroary 2026

Tonga nifanome tanana tamin’ny

mponina ao amin’ny Kaominina Ampahitrosy ny Faritra Analamanga manoloana ny loza mitatao noho ny fiakaran’ny rano. Ankoatra ny tohadrano eny Tongoloina mantsy, dia ahiana mafy ny ho fahavakisan'ny fefilohan'i Sisaony. Raha sanatria ka mitranga izany, dia tanimbary sy voly manodidina ny 1 000 ha no mety ho dibo-drano ary trano miisa 3 500 manomboka eo Ampahitrosy ka hatrany Soavina no tandindonin-doza. Ampahitrosy anefa dia voasokajy ho isan’ny mamatsy vokatra ho an’Antananarivo ihany koa, ka tandindonin-doza ny famokarana. Nisy, hoy ny eo anivon’ny kaominina Ampahitrosy ny fitarainana sy antso avo, ary efa fotoana lava ihany, efa ny volana martsa 2025 no nanao tatitra tamin’ny APIPA mikasika ny fefiloha izay mbola tsy nisy barazy nahiana ho vaky tamin’izany ny Kaominina, fa tamin’ity rehefa nihaona tamin’ny Lehiben’ny faritra ny hanaovana vonjy rano vaky ireo fefiloha miisa 3, dia niditra an-tsehatra ny faritra, nifotony ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Rtoa Clémence Raharinirina. Taorian’ny fahatsapana ny fahalemen’ny fefilohan’i Sisaony, indrindra ny eo akaikin’ny fokontanin’Ambarindehilahy, dia natolotra ny fitaovana hanamafisana vonjimaika ny fefiloha: hazo tsatoka (bois ronds) 3 000 isa sy gony 2 000 isa avy amin’ny Faritra Analamanga. « Eo anilan’ny kaominina mandrakariva ny Faritra Analamanga manoloana ny fahasarinana ka mitondra ny tantsoroka. Namaly ny antson’ny mponina, ary santionany ihany izao eo anatrehan’ny ahiahy hahavakisan’ny « digue » ety Ampahitrosy ho fitsinjovana ny vahoaka sy ny seha-pambolena fivelomany. Tonga manome tanana, ary iraka ihany avy amin’ny Fanjakana. », hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Nandray izao fanampiana izao tam-pifaliana ny mponina, ny sefo Fokontany, ary ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Naneho ny fisaorany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampahitrosy, Ranivomananony Lovasoa. "Hery lehibe ho anay ny fahatongavanareo sy ny nitondranareo izao fanampiana goavana izao ka ankasitrahana indrindra."

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fampiofanana hanamory
  • Alarobia 22 Aprily 2026

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Fampandrosoana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena

  • Tafapetraka ny PDS
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Feno Ralambomanana

Hijery ny tohiny
FTT