Lehilahy iray manodidina ny 23 taona eo ho eo raha tsiahivina no hita faty
teny Ankaditany Ampitatafika Atsimondrano ny faramparan’ny herinandro teo. Raha araka ny vaovao niparitaka dia voadonan’ny fiara izy io ary nariana teny amin’io toerana nahitana ny vatana mangatsiakany io avy eo. Nahitana dian’antsy miisa 15 ny vatany raha araka ny loharanom-baovao azo raha tsy teo intsony koa ny ila orony, vono olona tena feno habibiana tokoa. Vao 20 taona mahery anefa ny vadin’ity tovolahy ity, hoy ny vaovao . Miisa roa kosa ireo kamboty navelany ka mbola minono ny iray. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia resa-bola no namonoana ity tovolahy ity. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany koa andrasana izay mety ho tohin’ny tantara. Tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany no nalevina ny razana.
Pati
Legende : Nahitana diana fiara teto akaikin’ity razana ity raha ny fantatra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.