Faty nikarakarana tany Katsepy

Tafakatra 14, nisy iray avy any Ambilobe


  • Alarobia 05 Novambra 2025

Nisy razana iray fantatry ny havany

tamin'ireo razana miisa 14 hita tany Katsepy Mahajanga omaly Talata 04 Novambra. Raha ny nambaran'ny havany dia avy any Ambilobe io olona io ary efa tamin'ny zoma 31 Oktobra teo tamin'ny 7 ora hariva izy no niala ny trano fonenany ka hitady asa no anton-diany. Misy Malagasy araka izany ireo namoy ny ainy ireo fa tsy Somaliana avokoa. Vokatry ny fahasahiranana sy ny tsy fananan'asa ihany koa no antony nanosika ny sasany hiondrana an-tsambokely tahaka izao saingy nafoiny hatramin'ny ainy. Tonga tany an-toerana nijery ny zava-misy ny Ben'ny tanànan'i Katsepy sy ny lefiny. Toraka izany koa ny Médecin Inspecteur an'ny Distrikan'i Mitsinjo, ny mpanolontsaina.manokan'ny depiote Ahmad, ary zareo avy ao amin'ny zandarimariam-pirenena. Toraka izany koa ny sefom-pokontany ny Antrema ary ireo sojabe miaraka amin'ny vahoaka. Efa nofonosana avokoa moa izy ireo ary efa nisy nalevina. Pati
Légende : Santionany tamin'ireo razana hita !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT