Faty hita nifatotra sy nodorana teny Talamaty

Ny vadiny ihany no ahiana ho nahavanon-doza


  • Zoma 17 Mey 2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

distrikan’Ambohidratrimo afak’omaly Alarobia 15 May maraina, izay vao avy nodorana. Ny tongotry Ratompokovavy efa niraviravy teo ivelan'ny gony no hitan'ny mpanary fako maraina ka nahatonga ity farany niantso ny manodidina. Vinavinaina ho efa maty 3 andro ity Ramatoa ity vao nodorana ary natao tao anaty gony, raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo tonga nijery ny razana. Mitohy kosa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana ka lehilahy iray mpitsimpona fako teny an-toerana no notazonina natao andrimaso. Nisy nahita nitondra zavatra tamin'ny gony mantsy io lehilahy io, izay tombanana ho ilay vehivavy maty io. Nandoro zavatra teo amin’ny fako izy tokony ho tamin’ny 4 ora maraina tamin’io andro nahitana ny razana io hoy ny vaovao azo. Mety ho vadiny ilay ramatoa hita faty noho izany. Tsy hita tao an-tranony intsony mantsy ilay Ramatoa vadiny ary voalaza fa naharenesan’ny zandary fofona maimbo tao nandritra ny fisavana tao an-toerana. Nilaza kosa ilay Rangahy mpitsimpona fako fa lasa nody any amin’ny fianakaviany any Ambositra ilay Ramatoa vadiny. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT