Actualités

Fatin-dehilahy nihantona Potika tsy nisy nahafantarana azy ny endriny


  • Alarobia 20 Mey 2020

Lehilahy iray no hita faty tao amina tranon'olona ao anatin’ny fanamboarana tao amin' ny Kaominina Ambanivohitra Antanambao distrikan’Antsirabe II. Raha ny fahitana azy dia toa nanato-tena,

 

 

tsy misy ahafantarana azy intsony ny endriny satria efa tena simba ny razana. Raha ny filazan'ny mponina dia tsy olona avy eo an-toerana izy ity ary tsy misy nahafantatra azy ny olona. Tonga nijery ny razana ny Zandarimariam-pirenena, ny Mpitsabo sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Raha misy mahafantatra azy dia iaingaviana hanantona ny zandarimaria sy ny tomponandraikitra ao amin' ny kaominina Antanambao, hoy ny toromarika avy amin’ireo manam-pahefana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT