Actualités

Fasan-drazan’ny mpanolotsain’ny praiminisitra Misy mivarotra sy mampanofa


  • Zoma 03 Novambra 2017

Hatairana sy hagagana ny an’ny fianakaviana raha naheno antso ny alarobia teo fa nisy nandoro ny fasan’izy ireo.

 Omaly ihany dia nanapa-kevitra izy ireo hitsidika ilay fasana eny Ambohibe Ilafy. Nilaza azy ho tompon’ny fasana ny mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra, Paolo Raholinarivo ary nilaza fa na iza na iza no ao ambadiky ny famarotana ny tany manomboka any amin’ny fokontany na fianakaviana na tompon’andraikitry ny fananantany dia tsy ho afa-bela satria fanimbazimbana ny maha Malagasy ny mivarotra sy mividy fasan’olona. Andranonampela no anaran’ny fasana noho ny fisian’ny dobo fandroan’ireo ampela ao ambany ao rehefa hangata-pitahiana eto. Ritra ny rano ankehitriny, noho ny ota fady nitranga. Gaga izahay raha tonga teto fa nisy nivarotra sy nampanofa, hono, ny fasan-drazanay. Tamin’ny oktobra 2016 izahay no nandevina havana taty fa tsy mbola nisy “Borne” nipetraka teto. Efa maherin’ny 500 taona anefa ity fasana ity. Ny voarakitra ao amin’ny karinem-pasana dia olona 3 hatreto no tokony hilevina ato kanefa amin’izao efa feno ny fasana, hoy ny fanazavany. Hanao fanadihadiana izahay, hoy ity mpanolotsain’ny praiminisitra ity ka hahita izay nahavita izao.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT