Actualités

Farmasianina Mbola tena vitsy eto amintsika


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Mbola tena tsy vitsy mihitsy ny farmasianina eto amintsika. Raha mahatratra 73 isa mantsy ireo hopitaly eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana, dia ny 12 amin’izy ireo monja no misy farmasianina, antony manosika ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanome taratasy ireo olona vonona hiantsehatra manokana amin’ny fivarotana fanafody.

Nisy omaly ny atrikasa notanterahin’ity minisitera iray ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, hahafahana manaparitaka  ny fanafody eny anivon’ny  tobim-pahasalamana. Nomarihin-dRtoa Mahavany Nicole, tale misahana manokana ny farmasianina sy ny laboratoara  eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka moa, fa rehefa mividy fanafody eny anivon’ny toerana voatokana ho amin’izany ny olona dia efa tena tsara hisorohana ny trangam-pahafatesana tampoka mety hateraky  ny fividianana ireo karazam-panafody tsy ara-dalàna eny amin’ny sisiny. Miantso ireo sekoly tsy miankina ihany koa izy ireo mba hamokatra farmasiana ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT