Milamina tsara aloha hatreto ny fanarahana ny fepetran’ny “barrage sanitaire” noraisina any amin’ny Faritr’Itasy amin’ny tsy fahazoana mivezivezy miampita Faritra.
Tsy nitombo intsony araka izany ireo ny isan’ireo mitondra ny tsimokaretina covid-19 any amin’ity Faritra ity. Nangataka kosa anefa etsy an-kilan’izay ireo mpivaro-mandeha izay tena betsaka tokoa any an-toerana ny mba hamelana azy ireo amin’izay handeha hanatanteraka ny asa fanaony mahazatra azy fa efa tena tsapa miantraika anaty vilany mihitsy ny fahasahiranana mahazo noho izao ady atao amin’ny coronavirus izao. Eo am-piandrasana ny valin-tenin’ny tompon’andraikitra mahefa eto amin’ny firenena ry zareo amin’ity herinandro ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.