Mbola misy sahy mivoaka aorian’ny amin’ny 09 ora alina ihany ny any amin’ny Faritra Vakinankaratra na dia efa mihatra aza ny "couvre feu".
Olona miisa 80 hatramin’ny omaly no tratra tsy nanaja izany ka notazonina nandritra ny alina iray manontolo. Nasaina nandroaka fako izy ireo rehefa maraina ny andro, narahina asa fanadiovan-tanana. Ankoatra izay dia fiara miisa 23 isa, sy moto 4 ary posy 4 ihany koa no naiditra foriera . Nomarihin’ny mpitandro ny filaminana ao Vakinankaratra moa fa natao ho an’ny rehetra ny lalana noho izany ka tsy maintys manaja izany avokoa ny rehetra ho fiarovana ny fihanaky ny tsimok’aretina Covid 19.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.