Faritra Vakinankaratra

Miantso ny mpampiasa vola Koreana Tatsimo ho avy


  • Zoma 04 Jolay 2025

Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany

malalaka azo ambolena ihany koa. Ry zareo Koreana kosa dia manana ny traikefa ahafahana manodina sy manampy lanja amin’ireo vokatra ireo. Kely anefa ny taniny, ary vitsy ny mponina, ka rariny raha manokatra fiaraha-miasa amin’ny firenena tahaka an’i Madagasikara izy ireo. Efa miasa manerana izao tontolo izao ny Koreana ary mizara traikefa amin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka aminy. Namporisika ny fitondrana koreana hampiasa ny volany eto Madagasikara ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra, Atoa Vyvato Rakotovao, indrindra any Antsirabe izay ahitana ireo akora ilaina amin’ny famokarana. Misokatra ho an’ny firenena rehetra i Madagasikara, indrindra ho an’ireo hitondra fampandrosoana. Toy izany koa ny faritra Vakinankaratra. Ny faha-30n’ny volana lasa teo dia nanao fitsidihana tao amin’ny biraon’ny Governora ao Antsirabe ny Masoivohon’i Korea Atsimo, S.E. Ramatoa Park Ji Hyun. Sambany no nahatongavany tao Antsirabe. Noresahan’ny roa tonta ny momba ny fiaraha-miasa tokony hatsangana sy ny filàna hifanomezan-tanana. Naharitra ora iray sy sasany teo ny dinika. Taorian’ny fitsidihana dia nifampizara fahatsiarovana ny Governoran’ny faritra sy ny Masoivohon’i Korea Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT