Ny fahalalahana amin'ny asa fanaovan-gazety no lohahevitra noentina nanokafana
ny valan-dresaka niarahan'ny Governora Vyvato Rakotovao sy ireo mpanao gazety eto Vakinankaratra nandritra ny "Petit déjeuner de presse" fanao isam-bolana. Nitondran'ireo mpanao gazety fanazavana manokana ny olana sy ny filàny amin'ny fanatanterahana ny asany. Raha ny mahakasika ity fomba fiasa napetraky ny Fiadidiana ny Faritra ity kosa anefa dia isany nahitana fiantraikany tsara tamin'ny asan'izy ireo ary nitarika fisokafana bebe kokoa tamin'ny sehatra marolafy. Namafisin'ny Governora hatrany fa manome sehatra malalaka ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera ny tenany porofon'izany ny fanokanana fotoana hifampizarana sy hifanankalozana amin'ireo mpanao gazety izay ohatra tsara alain-tahaka. Manahirana rahateo hoy izy ny mitantana firenena demokratika tsy ampy serasera. Isany nivohitra teto ny asa fanamboarana ny RN7, ny fanomanana ny hetsika ara-ekonomika toy ny "Tsenaben'ny aty matavy any Behenjy sy ny Festival de la RN7", ny resaka tany eny amin'ny Parc de l'Est, ny fanarenana ny tsenan’ny Sabotsy izay nandraisan’ny faritra andraikitra mavitrika ny fanadiaovana sy ny fitadiavana lalam-bola ahafahana manarina ny tsena, tsy latsa danja tamin'izany ihany koa ny tatitra nataon’ny Governora manoiloana ny diany tany Chine . Fanamarihana nentin’ny Governora Vyvato Rakotovao ihany koa ny fahombiazan’ny fitazntanana ny raharaham-panjakana nataon’ireo talem-paritra vokatr’ity fihaonana amin’ny mpanao gazety isambolana ity . Ny 2 septembre izao indray no voafaritra hanaovana ny fihaonana manaraha ka ireo olomboafidy toy ny ben’ny tanana sy ny solombavambahaoaka no hiatrika ny mpanao gazety miaraka amin’ny governora.
Solotiana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.