Actualités

Faritra Vakinankaratra "Ambulance" tratra nitondra olona an-tsokosoko


  • Alarobia 27 Mey 2020

Fiara mpitondra marary iray no saron’ny zandary nitondra olona an-tsokosoko avy any Antananarivo tany amin’ny Faritra Vakinankaratra.

 

 

 Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary no nahafantarana fa olona salama tsara avokoa no nentin’ity fiara ity. Nampandoavina saran-dalana avokoa izy ireo raha araka ny fanazavan’ireo olona tao anatiny. Ankoatra izay dia fiara sprinter iray koa no saron’ny sakan’ny zandary tao Ambatolampy saika hiditra an-tsokosoko tany amin’iny faritra vakinankaratra iny nandritra ny sakana nataon’izy ireo. Fomba hafa mihitsy no nataon’ity fiara ity. Nafeniny tao anaty entana mantsy ireo olona nentiny mba tsy ho hitan’ireo mpitandro ny filaminana manao fanaraha-maso eny an-dalàna. Nosaziana avokoa moa ireo fiara tratra ireo raha natao famotorana kosa ireo mpiasan’ny fahasalamana nitondra ireo olona tao anatin’ilay fiara fitondrana marary.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT