Actualités

Faritra SOFIA Manana tanora afaka baka 7.000 isan-taona


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

Ny Faritra Sofia no manana tanora betsaka indrindra mahazo ny mari-pahaizana bakalôrea isan-taona. Tafakatra hatrany amin’ny 7.000 isa mantsy izany raha mifanohitra amin’izay kosa ny tsenan’ny asa.

Tsy mahita asa ny ankamaroan’izy ireo, eny fa na dia ireo efa mahavita fianarana aza. Misy amin’izy ireo no efa efa-taona izao no mipetra-potsiny, ka mampiraviravy tanana ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Manoloana izany dia nanolo-tanana azy ireo ny Foibe malagasy momba ny Teny, tohanan’ireo raiamandrenibe sy am-panahy avy any amin’iny faritra Sofia iny tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana azy ireo. Nisy ny fiofanana nomena ireo tanora 14 mianadahy liana tamin’izany izay mivondrona ao amin’ny fikambanana CRS. Ny sivy tamin’ireo no nahatody hatramin’ny farany izay navoaka tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Tahala Rarihasina. Telo volana no nanofanana azy ireo izay manana tanjona hiady amin’ny tsy fananan’asa eto amintsika. Fanampim-pahalalana nomena azy ireo ny fikarakarana ny antontan-taratasy fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa, ny fomba fitafy, ny fiteny… Ny dimy tamin’izy ireo no efa nahazo asa soa aman-tsara taorian’ny fiofanana nomena azy raha mbola mianatra asa kosa ny efatra. “SOMILANA” moa no anarana nisaloran’izy ireo tamin’izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT