nandritra ny roa andro tany an-toerana, mba ho fampahafantarana ny fotodrafitrasa napetraky ny BNGRC, hiatrehana sy hampihenana ny mety ho voka-dratsy ateraky ny loza ao amin’io faritra io. Notanterahina ny 25 sy 26 Jolay lasa teo izany, tao Mananjary. Rehefa tonga mantsy ny rivodoza, dia miakatra be ny rano ao Mananjary, ka tra-doza avokoa ny mponina no sady tsy manan-kohanina noho ireo voly sy vokatra tahiry simban’ny rano. Napetraka noho izany ny RRC (Réduction des Risques de Catastrophes) na fanenana ny tandindon-doza hialana amin’ireo rehetra ireo.
Nitondra fiovana
Amin’ny ankapobeny dia mbola vitsy ny olona no resy lahatra amin’ny tetikasa, araka ny nambaran’atoa Alain Rakotovao, Coordinateur ao amin’ny ICPM. Fantatra anefa fa hatramin’izay nisiany izay, dia mitombo kokoa ny vokatra azon’ireo tantsaha, tsara kokoa ny fotodrafitrasa mipetraka hiatrehana ny loza, raha sanatria tonga izany fotoana izany. Anisan’ireny ny « répartiteur » namboarina tao Manampotsy izay manaparitaka ny rano amin’ireo tanimbary rehetra ka tsy mahadibo-drano ireto farany. Nisy ihany koa ny fampiasana ny ambioka na semence Doria (X265) izay vetivety kokoa ny fotoana hahavokarany. Tsy latsa-danja amin’izany ny fidiran’ireo vokatra hafa hiadiana amin’ny tsy fahampian’ny sakafo aorian’ny loza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.