Actualités

Faritra iva Raikitra ny ady amin'ny tsy fananan'asa


  • Talata 29 Jolay 2014

Mba hahafahana manampy ireo ray aman-dreny eny amin’ny faritra iva amin’ny fanabeazana araka ny tokony ho izy ny zanany dia hisy ny fanofanana azy ireny amin’ny alalan’ny “école des parents”. Hisy ny fampianarana momba ny firesahana amin’ny ankizy, indrindra fa ireo efa miala sakana

. Hisy ihany koa ny torohevitra maro samihafa hialana amin’ny fifamaliana eo amin’ny roa tonta, indrindra fa ny fitazonana ny ankizy mba hijanona ao an-trano. Ny college privée Mon choix etsy Andrefan’Ankadimbahoaka no hikarakara izany. Zava-baovao no ho hita eo anivon’ny sekoly manomboka amin’io taom-pianarana vaovao 2014-2015 io, araka ny fanazavan’ny taleny, Raharison Annick. Ankoatra io moa dia hosokafana ihany koa ny sekolin’ny asa. Mbola natao ho an’ny ray aman-dreny ihany izy io entina hanampiana ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo very asa. Fianarana manao taozavatra no hatao amin’izany, hetsika entina hiadiana amin’ny tsy fananan’asa eto an-drenivohitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT