FARITRA ITASY

Nohamafisina fa mikatona ny fanjonoana


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Nikatona nanomboka ny fiandohan’ny volana Septambra lasa teo ny fotoam-panjonoana trondro any amin’ny Faritra Itasy.

Raha araka ny loharanom-baovao azo anefa dia mbola misy tsy manaiky ihany fa manohitra io fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministera tompon’andraikitra io ireo mpanjono any an-toerana. Mbola misy mahita trondro matavy hamidy hatao voan-dalana ihany ny sasany. Mampitandrina azy ireny ny mpitandro ny filaminana manoloana izany fa tena mahavoasazy ny fanaovana izany. Ny fanaratoana, fanjonoana, fanihifana, famandrihana am-bovo sy ny fivarotana dia voarara avokoa hoy izy ireo.Azon'ny mpiompy hatao kosa anefa ny maka raha toa ka hoataony laoka izany ka tsy mihoatra ny hohanina no alaina. Ny mba hahafahana miaro sy mikajy ireo trondro ho afaka hanatody amim-pilaminana no tanjona raha toraka izany koa ny fiarovana ireo zanany madinika. Iray volana eo ho eo io fotoam-pikatonan’ny fanjonoana trondro any amin’ny Faritra Itasy io. Marihina fa efa 20.000 Ar mahery amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro. Asa mahavelona tsara ny fiompiana azy ireny noho izany indrindra fa ny fiarovana azy tahaka izao tsy ho lany taranaka.
Pati
Legende : Malaza amin’ny fiompiana carpe royal ny ao amin’ny Faritra Itasy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT