Actualités

Faritra DIANA Misy tambajotra mpanondrana olona sy trondro


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Tsy milamina mihitsy ny ao amin’ny Faritra DIANA ao. Fantatra mantsy izao fa misy tambajotran’olona mpitondra lakana sy vedety manondrana olona sy trondro an-tsokosoko mankany Mayotte any amin’iny faritra iny.

Taorian’ilay lakana tany Ambilobe saika hitondra olona 47 isa an-tsokosoko ho any Mayotte dia tratra tao Nosy Be indray ilay vedety saika hitondra trondro an-tsokosoko ho any Mayotte. Trondro 2 taonina sy solika 840 litatra no tao anatin’ity sambo haingam-pandeha ity hita tao Dzamandzar, Dar es Salaam, Nosy Be ny sabotsy alina teo. Sambo kely kosa no saika hitaterana azy ireo, ahitana milina 03 izay 40CV isanisany avy. Any Mayotte mihitsy moa no saika alefa ireo tondro ireo. Efa mandeha ny famotorana ny tompon’ilay vedety sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Efa nogiazana daholo koa ireo fitaovana tratra tsy manara-dalàna rehetra ireo. Tsy olona iray na roa moa no tompon’antoka amin’izao zava-mitranga mampalahelo any amin’ny faritra DIANA izao hoy hatrany ny loharanom-baovao fa efa misy tambajotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vedety tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT