Tratra ny sabotsy 06 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora maraina
tao Antsenakisoa ny kara-panondron’ilay lehilahy nandroba mpivarotra omby teny Avaratsena ny datin’ny 02 septambra lasa teo ka nahaverezana vola mitentina 36 tapitrisa Ar teo noho eo. Tamin'ny fisafoana mandeha an-tongotra tamin’io sabotsy io no nahatsikaritra olona hafahafa teo Antsenakisoa ireo Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritra Bongolava . Vantany vao nahita ireo Polisy avy lavitra ilay olona hafahafa, dia vaky nandositra avy hatrany ary najanony teo ny kitapo nentiny . Noenjehina kanefa tafaporitsaka ihany ilay ranamana io. Nosavaina ilay kitapo ka nahitana karapanondro iray, basy vita gasy iray, moara miisa telo, famaky lehibe iray. Rehefa nosokafana ny fanadihadiana dia fantatra fa ilay olona tompona karapanondro dia ilay olona nandroba mpivarotra omby teny Avaratsena voalaza etsy ambony io namela ny karapanondrony io. Ny vatantenany sisa araka izany no tadiavina fatratra hatramin’ny omaly hilanja ny sazy sahaza ho azy.
Pati
Legende : Ireto ireo fitaovana tavela tao amin’ireo jiolahy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.