Actualités

Faritra Bongolava Nilamina ny fety


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Tontosa tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ho an’ny Faritra Bongolava. Matso lehibe nandraisan’ireo vondron-kery rehetra misy ao amin’ny faritra toy ny miaramila,....

ny polisy, ny zandary, ny mpianatra, ny mpanao fanatanjahantena, ny mpanao hiragasy, ny mpitarika posy no nentina namaranana ny andron’ny 26 jona izay mbola nitohy tamin’ny alim-pandihizana lehibe. Ny lehiben’ny Faritra Bongolava, Vorisoa Hajaniaina Tafita Aurelien Pascal no nitarika  ny fotoana notronin’ireo olom-panjakana maro izay nisaotra manokana ny fitondram-panjakana noho ny fanomezany afomanga isam-paritra. Nihanoka tao anatin’ny hafaliana tanteraka ny mponina vokatr’izany, hoy izy izay antenainy fa niampita tamin’ny faritra maro ihany koa. Herinandro no nanatanterahana ny fankalazana ho an’ity faritra ity manokana, hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona entina hanomezana fahafaham-po ny vahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT