Vinavinaina mbola hahazo h]avandra ny faritra afovoan-tany vokatry ny fisian’ny rindrin-drahona any amin’ny lakandranon’i Mozambika. Matetika ny orana fidirana tsikelikely makany amin’ny fahavaratra no tahaka izany, hoy ny teknisianin’ny Météo.
Vokatry ny fandalovan’ny rindrin-drahona, indrindra ny faritra avo aty afovoantany sy ny faritra avaratra antsinanan’ny nosy no antony. Somary mikorontana kely aloha ny toetry ny andro, ary mety mbola hisy hatramin’ny tapatapaky ny herinandro amin’ny faritra avo ny havandra. Ny ilany antsinanana sy Atsimo dia hahazo orana. Ny alahady teo, nitondra faisana ny tany Anjozorobe sy ny manodidina toy ny kaominina Mangamila, Betatao, Marovazaha,…. ka ny 50% teo tamin’ny fambolena no niharam-pahavoazana. Tany Morarano Chrome Faritra Alaotra Mangoro, dia trano 50 no potika sy rava, 300 ny traboina, ary roa ny olona tototry ny trano, saingy tsy nisy ny aina nafoy. Nirotsaka ny orana teto an-dRenivohitra omaly, ary nisy ireo toerana sasany nahitana avandra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.