Actualités

Faritra atsimon’ny nosy Mirongatra ny herisetra ara-nofo sy ara-tsaina mahazo ny vehivavy


  • Zoma 31 Martsa 2023

Mirongatra be ny herisetra ara-nofo sy ara-tsaina mahazo ny vehivavy any amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy.

Ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana sy marefo no tena voakasik'izany. Ho an'ny faritra Anosy dia nahatratra 39℅ ireo lasibatra. 27 ℅ kosa izany ho an'ny faritra Androy raha 15;2℅ ho an'ny faritra Atsimo Andrefana. Diso nanaitra ny UNFPA loatra ny findangan'ireo tarehimarika ireo ka voatery nandray fanapahan- kevitra izy ireo. Niainga omaly ilay clinique mobile izay mitondra mpitsabo sy olona mikarakara manokana ny fanohanana ara- tsaina hiazo ireo faritra ireo. Haharitra andro maromaro izy ireo no hijanona any an-toerana ka anisan'ny tanjona ny hanampy sy hanohana ireo vehivavy niharan'ny herisetra mba tsy hamoy fo. Mahatratra 2 tapitrisa dolara ny vola ampiasaina amin'izany, tohana avy amin'ny USAID na ny sampandrahara Amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena.
(Tahirin-tsary)
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT