Actualités

Faritra Atsimo Mahavita miaro ny fokonolona amin’ny asan-dahalo ihany koa ny Jamŕ.


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Anisan’ny manampy amin’ny fitandroana ny filaminana ny jamŕ, araka ny fanazavana nentin’i Totovelo, mponina avy any Ankililaoka Toliara. Ny jamŕ moa dia vatan-dehilahy karamain’ny fokonolona hiaro ny fananan’izy ireo amin’ny asan-dahalo

. Manana mpitarika izy ireo ary azo lazaina fa tena hatokisan’ny mponina raha ny nambarany ihany. Mifanitsaka amin’ny asan’ny mpitandro filaminana ny ataon’izy ireo saingy nanamafy ny mponina fa mampandry tany noho ny Zandary aza izy ireny, na ireto farany aza dia manaiky ny fisian’izy ireo. Manana fitaovana ampiasaina ihany koa ny jamà  toy ny  fampiasan’ireo mpiandry omby tsotra, dia ny antsy lava sy ny lefona. Tsy mahazo mampiasa basy kosa anefa izy ireo  noho ny lalàna. Mahasarika ny tovolahy  rahateo izy ity any an-toerana ka betsaka ny roboka. Aleon’ny olona manakarama jamà toy izay hiantso zandary raha ny fanamarihana  voaray. Kinga sy tena mahita ny zohy rehetra ieren’ny jiolahy mantsy izy ireny. Na izany aza anefa dia ilaina hatrany ny fahamailona , hoy ny mponina any an-toerana satria tsy fantatra ny  fivadik’izy ireo noho izy mahafantatra ny tsiambaratelon’ny mponina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT