Actualités

Faritra arovana Menabe Antimena Velarana ala 56 ha no kila may nisy nandoro


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Velarana ala 56 ha ao amin’ny Faritra arovana Menabe Antimena no kila hotohoton’ny afo, herinandro lasa izay, ka ny 8 ha tamin'izany dia vao nambolena zanakazo ny volana febroary sy martsa 2020 lasa teo.

 

 

 

 Ankoatra ny fambolena katsaka amin’ny fanaovana tavy, izay misarika mpifindra monina maro be ao amin'io Faritra arovana Menabe Antimena io, dia niniana nodorana mihitsy raha ny tombana, ilay 56 ha tao anatin'ny ala fady. Nijery ifotony ny zava-misy tany an-toerana ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana maharitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina, sady nisaotra ny efa fandraisan’andraikitra teny ifotony ary koa niara-nijery ny vahaolana maharitra indrindra ny amin’ireo tetikasa hanampiana ireo mpifindra monina maro be, na koa hamerenana mihitsy azy ireo any amin'ny toerana niaviany avy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT