Actualités

Faritra Anosy Tsy dahalo ihany no mampalaza azy fa ny fizahantany koa


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Nohamafisin’ny Lehiben’ny Faritra Anosy nandalo teto Iarivo, Rahovelson Fanomezana Israël, ny nambaran’ny depiote voafidy tany amin’ny distrikan’Amboasary teto amin’ny Tia Tanindrazana farany teo, fa hatramin’ny fameranana ny “operation coup

d’arret” tao ho ao izay dia efa afaka miverina matory eny an-davarangana ny mponina any amin’ity distrika ity. Efa mba milamina tahaka izany koa ny any Betroka ary efa tafiditra ao anatin’ilay fomban-drazana indray ankehitriny ny halatra omby. Tsy ny resaka dahalo sy tsy filaminana ihany no mampalaza an’iny Faritra tantanako iny, hoy ity Lehiben’ny Faritra Anosy ity, fa mamiratra ara-pizahantany koa ireo distrika notanisaintsika teo ireo na dia mbola ratsy dia ratsy aza ny lalàna ka zary mampitoka-monina ny toerana sasany. Any Amboasary Atsimo any no misy an’i Berenty valanjavaboary malaza mahaliana tokoa ny Japoney. Any Betroka no misy an’i Saririaka, rano tsotra  misarintsarina riaka itoeran’ireo vorona mpifindra monina. Any amin’ity toerana ity koa no ahitana ny hazo Baobab betsaka sady tsara indrindra eto Madagasikara. Ampahany ihany ireo, hoy Rahovelson Israël fa tsy voatanisa eto raha izany hakanton’ny Faritra Anosy izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT