Hahazo rotsak’orana ampy ary mety ho betsaka mihoatra ny mahazatra isam-bolana aza iny faritra Androy iny hatramin’ny volana desambra,
izany hoe mamarana ny taona, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Na dia somary hihena indray aza izany amin’io novambra io dia tsy misy atahorana, hoy ny fanazavana. Hatreto aloha dia mbola mamely any amin’iny faritra atsimo iny ny haintany izay miteraka kere any an-toerana. Isan’ny andraindrain’ireo mponina any an-toerana ankoatry ny fanampiana avy amin’ireo malalatanana sy ny mpitondra, araka izany, izay fihavian’ny rotsak’orana ampy izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.