Faritra Analamanga

Tafakatra 26 ny isan'ireo toerana fandraisana traboina


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Tafakatra 26 isa ny toerana fandraisana ireo traboina eto amin’ny Faritra Analamanga

teto anatin’ny herinandro ka anisan’izany ireo toerana 9 eto an-drenivohitra. Hanampy sy hanome tanana mandritra izany ny OIM na ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina , amin'ny fandaminana sy fitantanana ireo toerana ireo. Toraka izany koa ny Fiangonana Loterana Malagasy amin’ireo karazana foto-drafitrasa mety ilaina. Samy ahitana izany avokoa ny Boriborintany enina ka ny ao amin’ny Boriborintany fahaefatra no betsaka indrindra izay hatoby ao amin’ny Fokontany Andrefan’Imananjary. Miisa 900 izy ireo raha araka ny loharanom-baovao azo izay ahiana mbola hiampy vokatry ny ora-mikija tsy niato nanomboka ny Zoma 21 Febroary alina lasa teo. Ao amin’ny kianja filalaovana Basket ao Mahamasina kosa no hapetraka ireo traboina ao anatin’ny Boriborintany faharoa izay misy olona manodidina ny 328 raha ao amin’ny ANS Ampefiloha kosa no hapetraka ireo traboina sasany ho an’ny Boriborintany voalohany. Efa nisy toerana nametrahana ny avy ao amin’ny Boriborintany fahaenina ihany koa…Mitontaly 3.006 izy ireo hatreto ho an’ny eto an-drenivohitra avy amin’ny fianakaviana 1006. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fizarana mofo sy lamba firakotra ho azy ireo notanterahin’ny Ben’ny tananan’Antananarivo. Nanaovany fanentanana manokana tamin’izany ny vehivavy mba hahay hiaro ny zanakakely amin’ny aretina sy ireo tranga maro samihafa. Toraka izany koa ny fitandroana ny fahadiovana mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina.
Pati
Legende : Manampy hatrany amin’ny fikarakarana ireo traboina ny Skoto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT