FARITRA ANALAMANGA

Nanolotra « engin » sy « camion » hiasan’ny kaominina Ivato


  • Alarobia 28 Janoary 2026

Manga ny fiaraha-miasa eo amin'ny

Faritra Analamanga sy ny kaominîna Ivato, distrikan'Ambohidratrimo. Tonga nanolotra camion hanalana ny fako niampy engin hiasa eny anivon'ity kaominîna ity ny Lehiben'ny Faritra Raharinirina Clémence omaly Talata 27 Janoary maraina. Nandray izany ny Ben'ny tanana Penjy Randrianarisoa sy ny ekipany izay efa mpiara-miasa akaiky tamin'ny Lehiben'ny Faritra teo anivon'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety hatramin'ny ela. Nambaran'ny Lehiben'ny Faritra fa ho tombontsoan'ireo vahoaka manerana ny kaominina 142 no antom-pisian'izy ireo. Tsy hanavahana loko politika izany hoy izy na hipetrahan'ilay fitenenana hoe : halako bika sy tiako tarehy fa samy hojerena avokoa. Ho an'ny kaominina Ivato ihany koa dia nisy ny fanolorany fitaovana toy ny ciment entina hanohizana ny asa fanamboarana ny kaominîna. Kaominina miisa 2 mantsy no nisy teny Ivato taloha saingy ankehitriny dia efa natambatra ho iray izany izany hoe : maro vahoaka karakaraina. Tsy adion'ny Lehiben'ny Faritra Raharinirina Clémence sy ny Ben'ny tanana nandritra izany ny nizara kojakoja fampiasa amin'ny fiainana andavanandro ho an'ireo tena sahirana ho fanampiana ny Fitondram-panjakana amin'ny fitsinjovana azy ireo. Fantatra moa fa ny kaominîna Ambohitrimanjaka indray no hisitraka izao fanampiana avy amin'ny Faritra Analamanga izao atsy ho atsy.
Pati
Légende : Ny Lehiben'ny Faritra Analamanga niresaka fohy tamin'ny mpanao gazety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT