Faritra Amoron’i Mania sy Menabe

Mandravarava ny valala, 6000ha hofendrahana fanafody…


  • Talata 09 Jolay 2024

Mandravarava any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara ny andiam-balala

amin’izao fotoana izao, indrindra amin’iny tapany somary atsimo. Taorian’Atsimo Andrefana sy ny manodinana izay velaran-tany hatrany amin’ny 270 000ha no rakotra, dia ny Faritra Amoron’i Mania sy Menabe indray amin’izao fotoana izao no lasibatra, ary ahiana hisy fiantraikany goavana ara-pambolena sy ara-pamokarana. Nanetsika angidim-by moa ny Fanjakana nanomboka ny 06 jolay teo, izay nambara fa ezaka tanterahin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny IFVM, ary ny Fandaharanasa DEFIS, miaraka amin’ny Minisiteran’ny Foloalin-dahy.Velaran-tany 6.000 ha no hamendrahana ny fanafody famonoana valala izay mahatratra 6.000 litatra ka andiam-balala na tangorom-balala no horavana amin’izao ady izao izay haharitra 15 hatramin’ny 20 andro. 1 litatra isaky ny hekitara izany raha kajiana amin’io!Nomarihina fa manamora ny asa tanterahana amin’ny ady amin’ny famonoana sy fifehezana ny valala ny fampiasana ny angidimby toy izao. Mifanindran-dalana amin’ny ady hatrany ihany koa ireo ekipa miasa an-tanety izay manohy ny asa famonoana valala. Mizara ho ekipa 3 izany dia any Manja ho an’ny Faritra Menabe, Ihosy Faritra Ihorombe ary ao Sakaraha Faritra Atsimo Andrefana, raha ny seraseran’ny Minisiteran’ny fambolena hatrany. Nolazain’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Atoa Ratohiarijaona R. Suzelin teny Ivato fa miezaka ny hamongotra tanteraka ny andiam-balala amin’ny alalan’ny famolavolana paikady mazava ao anatin’ny 4 taona mba tsy hiverenan’ny andiam-balala, izay miantraika betsaka amin’ny famokarana ny Fanjakana. Manodidina ny 30.000ha ny velaran-tany efa vita famendrahana an-tanety nanomboka ny volana febroary, ary mitohy amin’izao ady an’habakabaka izao. Na izany aza, ny zava-misy sy tsikaritra eny ifotony, dia maneho fa tena tsy voafehy ny andiam-balala, ary betsaka ny zavatra potika sy rava !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT