Actualités

Faritra Alaotra Tonga any an-toerana ireo miaramila hampandry tany


  • Sabotsy 12 Jolay 2014

Miaramila andiany faharoa ireto tonga any Alaotra ireto, izay hanohy indray ny asa ho fampandriana fahalemana ny Distrika roa dia Amparafaravola sy Ambatondrazaka......

Taorian’ny fametrahana tany Alaotra ny Compagnie de Commandement de Sécurite (CCS) dia nilamina tamin’ny asa nataony ny mponina eny ambanivohitra. Rehefa lasa anefa ireo miaramila andiany voalohany dia niverina indray ny asan-jiolahy. Tsara fahatongavana, araka izany, ireto miaramila ireto, hoy ny sekretera jeneralin’ny Faritra Alaotra Mangoro satria efa sasa-miandry azy ireo ny olona eny ambanivohitra manoloana ny tsy fandriampahalemana tao ho ao izay. Miaramila 21 lahy izy ireo no hisahana Kaominina 40, ka miankina betsaka amin’ny filan’ny Kaominina tsirairay no handaminan’izy ireo ny asany. Tsy miditra amin’ny raharaha ady tany sy ny adina mpivady izy ireo fa ny fanenjehana dahalo sy ny mpanao halabotry no tena vaindohan-draharaha. Nanolotra azy ireo tamin’ny tomponandraikitra ara-panjakana any amin’ny Faritra Alaotra iny ny lehiben’ny holafy faha-316 any Analangoaika Andilamena ny kapiteny Sedera, izay nisolotena ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny tafika Malagasy. Inoana fa hamerina indray ny fandriampahalemana izay somary narisarisa teo aloha ny fahatongavan’ireto miaramila hampandry tany ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT