Tontosa tany Maroc ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ireo faritra miara-miasa amin’ny departemanta Ile et Vilaine herinandro vitsy lasa izay..
Voaresaka betsaka ao anatin’izany ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fifanakalozana eo amin’ny tanora avy any Alaotra Mangoro sy ireo tanora any amin’ireo firenena miara-miasa mivantana amin’io departemanta Ile et Vilaine io. Eo amin’ny sehatry ny toekarena dia hanana ny anjara toerany manokana ny mpandraharaha. Nisolotena ny Faritra Alaotra Mangoro tamin’izany ny lehiben’ny Faritra Ramandehamanana Richard sy ny Talen’ny fampandrosoana ny Faritra Randriamainty Fils. Nandritra ny tatitra izay notontosain’izy ireo ny herinandro teo no nahafantarana fa mivelatra betsaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa ny Faritra Alaotra Mangoro fa tsy mionona fotsiny amin’ny departemanta Ille et Vilaine. Tanjona, hoy ny DDR Randriamainty Fils ny hampandroso haingana ny Faritra Alaotra Mangoro ka ho fitaratry ny faritra hafa eo amin’izay fampandrosoana ny faritra izay.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.