FARIHIN’NY MARAIS MASAY

Esorina ny loto sy ny tsikafona


  • Talata 18 Febroary 2025

Manadio ny farihin’ny Marais Masay ny APIPA. Efa nanomboka tamin’ny volana Janoary teo ny asa,

hitohy ato anatin’ny 2 herinandro. Tsikafona 15.000 m2 no tsy maintsy alana, midadasika anaty faritra misy rano 20 ha. Loto sy tsikafona 6.960 m3 hatreto no efa afaka ary naterina eny Andralanitra. Tanjon’ny APIPA sy ny kaominina Antananarivo renivohitra raha araka ny loharanom-baovao azo ny hanalana ireo karazana sakana toy ny tsikafona tsy hahafahan’ny rano avy any an-tokantranon’ireo olona eny amin’ny manodidina mikoriana mankao amin’ity farihy ity. Ahiana hiteraka tondra-drano mantsy izany rehefa be loatra. Ankoatra izay dia ny mba hananana tontolo iainana madio sy mirindra ihany koa no tanjona arahin’ny fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Tsiahivina moa fa ao anatin’ny herinandro monja dia mety hahahenika faritra lehibe iray ny tsikafona dimy aman’enina eo noho eo, zava-maniry izay tena haingam-pitombo sy mora vokatra tokoa saingy tsy azon’ny olombelona hohanina.
Pati
Legende : Kely sisa dia voadio tanteraka ny rano eto amin’ny Marais Masay !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT