FARIHIN’ANDRANOTAPAHANA

Lasan’ny Karana ny tany manamorona azy


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Lasan’ny Karana avokoa ireo tany manamorona ny farihin’Andranotapahana

raha araka ny vaovao voaray. Efa hananan’izy ireo titra mihitsy izany raha araka ny fanazavan’ny Depiote Johnny Rakotoarisoa vifidy tao anatin’ity distrikan’Ambohidratrimo hany ka mahatsiaro ho very asa fivelomana tanteraka ny fikambananan’ny mponjono mivelona amin’ny alalan’io farihy io. Raha araka ny lalana anefa hoy izy dia tsy azo hatao ny manao fanajariana manamorona ny rano. Ankoatra ity tranga ity dia nisy nandroaka ihany koa ireo Malagasy mpitrandraka vato ao Ambalavato Ambohidratrimo ihany. Orinasa iray lehibe no tonga eny an-toerana mitonona ho tompon’ny tany hanaovan’izy ireo ny asa fitrandrahana ka fokonolona miisa 3 no efa naiditr’izy ireo am-ponja hoy hatrany ity depioten’Ambohidratrimo ity rehefa mba niady ny zony. An’ny fanjakana Malagasy anefa io tany io raha araka ny fanazavan’ny depiote Johnny hatrany.
Pati
Legende : Hataon’ireo tera-tany vahiny kilalao ny fakana ireo toerana miavaka eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT