FARIHIN’ANDRAIKIBA

Nalevina omaly ireo fatin’ankizy roa hita tao


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Nalevina omaly Alarobia 08 Janoary avokoa ireo ankizivavy kely miisa 2 hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny

farihin’Andraikiba. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ankizivavy kely mpinamana izy ireo ka 11 taona ny iray raha 9 taona kosa ny iray. Samy tsy hita popoka teny amin’ny manodidina an’Andraikiba izy ireo ny Alahady folakandro teo rehefa nentin’ny tovovavy iray nandehandeha. Ny Alatsinainy 06 Janoary teo no hita faty nitsingevana tao amin’ny farihin’Andraikiba ny iray tamin’izy ireo ilay 11 taona raha afak’omaly Talata 07 Janoary vao maraina no hita faty nitsingevana ihany koa ilay iray 9 taona. Tsy nisy niakanjo moa ary samy nahitana ratra ny vatan’izy roavavy ireto ka mampiahiahy ny fianakaviana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolanana izay vao novoina hoy ny loharanom-baovao. Niala sasatra tany amina Renim-pianakaviana iray izay naman’ny renin’ny iray tamin’ireo zaza moa izy ireo no izao niharan-doza izao. Ilay tovovavy nitondra azy ireo nandehandeha teny Andraikiba ihany koa voalaza fa tsy hitan’ny fianakaviana hatramin’izao. Ankoatra ny vatana mangatsiakan’izy mirahavavy kely ireto moa dia zazakely iray efa tsy nisy aina intsony koa no nisy nanary tao anaty kitapo tao amin’ny farihin’Andraikiba.
Pati
Legende : Nitelina zaza miisa 2 ity farihin’Andraikiba ity vao miandoha ny taona 2025 !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT