Nahitana fatin’olona indray ny farihin’Andranomafana na Andranomaimbo amin’ny ahafataran’ny maro azy.
Lehilahy tokony 38 taona eo io hita faty io, ny omaly maraina. Olona nandalo moa no nahita ilay razana nihohoka ka nampandre avy hatrany ny fokonolona teny amin’ny manodidina. Samy nirihotra nijery ny razana teny avokoa ny mponina niandry ny fahatongavan’ny polisy sy ny BMH nanao fizahana ny razana. Tamin’ny fizahana natao tamin’ny maty no nahitana fa misy diana ratra ny tavany ary nandeha rà ny orony. Nahitana ratra ihany koa teo amin’ny masony havia sy ny sofiny. Tsy nibotsina rano anefa ny kibony ka hinoana fa tsy tao anaty rano ranamana no maty. Taorian’ny fizana nataon’ny tompon’andraikitra dia nomena ny fianakaviany ny razana. Raha ny fanazavana moa fantatra fa miasa manera eo amin’ny manodidina ny farihy eo no asan’ity rangahy hita faty ity ary manam-bady izy ary tsy lavitra ny farihin’Andranomafana ihany no fonenany. Efa hatramin’ny alahady hariva no tsy nahitan’ny fianakaviana azy intsony raha ny filazan’ny vadiny, satria tokony tamin’ny 4 ora no nambaran’ity farany fa nialany tao an-tranony ary tsy nilaza izay halehany izy. Voalaza fa tamin’ny namany izy no nanafatra fa hamono tena ka nanao veloma farany azy ireo. Nanomboka teo dia tsy nitsahatra nitady azy izahay hoy ny vadiny saingy tsy hita popoaka mihitsy ny nalehany. Omaly maraina io, akory ny hatarainy raha nandre fa hita faty ao Andranomaimbo ny vadiny.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.