Vehivavy iray manodidina ny 18 taona ka hatramin’ny 20 taona eo ho eo no hita faty natsingevan’ny rano tao amin'ny farihin'Andraikiba,
afak'omaly maraina. Mpanjono handeha hirobo- drano no nahita ny razana ka nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana. Raha araka ny vaovao azo dia mbola hita tany amin'ity tovovavy ity ny kopia mariaziny izay vao tsy ela akory no nanaovana ny fisoratam-panambadiany raha toraka izany ihany koa ny karapanondrony. Raha ny tombana moa hoy hatrany ny vaovao dia karazan’irony nisy namono irony ity vehivavy ity ary natsipiny tao anaty rano avy eo. Raha olona maty an-drano mantsy hoy ireo nanatri-maso tany an-toerana dia tsy tokony hitsingevana raha tsy roa na telo andro aty aoriana. Tsy nahitana mangana anefa tamin’ny vatany. Tsy nahitana ratra ihany koa.Andrasana araka izany ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Ankoatra izay dia fatin-jaza rano vao 8 volana an-kibo ihany koa no hita tao ambadiky ny sekoly ambaratonga faharoa Soamalaza ao amin’ny Fokontany Tsarasaotra any Antsirabe. Olona handeha haka anandrano no nahita ny razana ka nampandre ny tompon’andraikitra ihany koa. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.